Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2581 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Ny Tempoly, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, no tokony ho toeran’ny fanabeazana azy amin’ny fivavahana : ny fivahiniana masina, ny fety, ny sorona, ny fanatitra takariva, ny emboka manitra, ny mofo “alahatra”, ireo famantarana …
  2. 2582 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Rain’ny mpaminany i Elia, avy amin’ny taranak’ireo izay mitady an’ Andriamanitra sy izay mikatsaka ny Endriny [38] . Ny anarany hoe, “Ny Tompo no Andriamanitro”, no milaza ny hiakan’ny vahoaka ho valin’ny …
  3. 2583 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Rahefa avy nahazo ny famindram-po tamin’ny laretiretiny teo amin’ny ranon-driakan’i Karita i Elia, dia nampianatra an’ilay vehivavy maty vady tao Sareftà ny finoana ny tenin’Andriamanitra, finoana izay nanamafisany tamin’ny alalan’ny fangatahana mafy …
  4. 2584 Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo Eo amin’ny “fanatrehana irery an’Andriamanitra” ireo mpaminany no manovo fahazavana sy hery ho an’ny fanirahana azy ireo. Tsy hoe fandosirana an’izao tontolo izao mivadi-pitokiana ny fivavahan’izy ireo fa fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, indraindray …
  5. 2585 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Nanomboka tamin’i Davida mandra-pahatongan’ny Mesia, ny boky masina dia mirakitra ireo lahatsora-pivavahana izay maneho ny fandalinana ny vavaka, ho an’ny tena ihany sy ho an’ny hafa [47] . Tsikelikely, natambatra ho boky …
  6. 2586 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny Salamo no mamelona sy maneho ny vavaky ny Vahoakan’ Andriamanitra miangona, amin’ny andro fety lehibe any Jerosalema ary isaky ny sabata ao amin’ny sinagôga. Misy lafiny roa tsy azo sarahina izany …
  7. 2587 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny amboaran-tSalamo no boky izay ao ny Tenin’Andriamanitra no tonga vavaky ny olombelona. Ao amin’ireo boky hafan’ny Testamenta Taloha ny teny no “manambara ny tsanganasan’(Andriamanitra ho an’ny olombelona) ary mampahita ny mistery …
  8. 2588 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny fanehoan’endrika maro amin’ny vavaka Salamo dia sady maka endrika ao amin’ny litorzian’ny Tempoly no ao am-pon’ny olombelona. Na antsa no atao, na vavaka noho ny fahoriana, na vavaka fisaorana, na fitalahoan’olon-drery …
  9. 2589 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Toetra maharitra no maninteraka ny Salamo : ny fahatsoran’ny vavaka sy ny fanaovana izany, izay nipoitra ho azy avy ao am-po, ny faniriana an’ Andriamanitra rahateo amin’ny alalan’ny tsara rehetra amin’ny zavaboariny …
  10. 2590 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona “ Ny fivavahana dia fanondrotana ny fanahy any amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa rehetra sahaza ” [51] .
  11. 2591 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Tsy sasatra Andriamanitra miantso ny olona tsirairay mba hihaona Aminy amin’ny fomba mifono mistery. Mifanindran-dalana amin’ny tantaram-pamonjena manontolo ny fivavahana, tahaka ny antso ifamalian’ Andriamanitra sy ny olombelona .
  12. 2592 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny fivavahan’i Abrahama sy Jakôba dia miseho toy ny tolona atao amim-pinoana ao anatin’ny fitokiana ny tsy fivadihan’Andriamanitra sy ao anatin’ ny fahazoana antoka ny fandresena nampanantenaina vokatry ny fitozoana .
  13. 2593 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Mifanaraka amin’ny firotsahana mialoha ataon’ilay Andriamanitra velona ho amin’ny famonjena ny vahoaka ny fivavahan’i Môizy. Manambara mialoha ny vavaka fitalahoan’i Kristy Jesoa hany mpanalalana izany .
  14. 2594 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia nivelatra teo ambany fialofan’ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena sy ny Tempoly, sy teo ambany fitarihan’ireo mpiandry ondry, indrindra i Davida mpanjaka sy ireo mpaminany …
  15. 2595 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Miantso ho amin’ny fibebahan’ny fo ireo mpaminany, ary amin’ny fitadiavana amin-kafanam-po ny endrik’Andriamanitra, tahaka ny nataon’i Elia, no italahoan’izy ireo ho an’ny vahoaka .
  16. 2596 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny Salamo no sangan’asan’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha. Misy zava-droa loha tsy azo sarahina mandrafitra azy ireny : an’olon-drery sy iombonana. Manenika ny ambaiday manontolo ny tantara ny Salamo, amin’ny fankalazana …
  17. 2597 Ny Salamo, vavaky ny mpiangona Ny salamo, noho izy atao vavaka sy tanterahina ao amin’i Kristy, dia singafototra tena ilaina sy maharitra iankinan’ny fivavahan’ny Fiangonany. Natao ho sahaza ny sarangan’olona rehetra sy amin’ny fotoana rehetra izy ireny …
  18. 2598 Ao amin’ny hafenoan’ny fotoana Ny fitaintainana amin’ny fivavahana no nabaribary manontolo amintsika tao amin’ny Teny izay tonga nofo sy niara-monina amintsika. Ny miezaka hahatakatra an-tsaina ny fivavahany, amin’ny alalan’izay ambaran’ireo vavolombelony antsika ao amin’ny Evanjely, dia …
  19. 2599 Mivavaka i Jesoa Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak’ Andriamanitra nanjary Zanak’ilay Virjiny. Tamin-dreniny izay nitahiry sy nandinika tao am-pony ny “zava-dehibe” rehetra nataon’ilay Mahefa ny zavatra rehetra no nianarany ny rijan-teny …
  20. 2600 Mivavaka i Jesoa Ny Evanjely araka an’i Md Lioka dia manantitrantitra ny asan’ny Fanahy Masina sy ny hevitra raketin’ny fivavahana teo amin’ny raharaham-pamonjen’i Kristy. Nivavaka i Jesoa talohan’ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy : talohan’ny …