Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2721
III. Ny vavaka am-po
Telo ny fomba lehibe fanehoana ny fiainam-pivavahana eo amin’ny lovam-pampianarana kristianina : ny vavaka am-bava, ny fandinihana masina ary ny vavaka am-po. Ny fanombenan-tsaina amam-po no iombonan’ireo.
→
-
2722
III. Ny vavaka am-po
Ny vavaka am-bava, miorina amin’ny firaisan’ny vatana sy ny fanahy amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona, dia mampikambana ny tenany amin’ny vavaka anatin’ny fo, toy ny nataon’i Kristy nivavaka tamin’ ny Rainy sy nampianatra …
→
-
2723
III. Ny vavaka am-po
Ny fandinihana masina dia fikarohana mampivavaka izay ampiasana ny fisainana, ny fiheverana, ny fiontanam-po, ny faniriana. Ny kendren’ny fandinihana masina, dia ny fakana ho an’ny tena amim-pinoana, izay foto-javatra nodinihina sy nampitahana …
→
-
2724
III. Ny vavaka am-po
Ny vavaka am-po avy amin’ny saina no fanehoana tsotra ny misterin’ny fivavahana. Ny vavaka am-po dia fijerena amim-pinoana mifantoka amin’i Jesoa, fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, fitiavana amim-panginana. Ny vavaka am-po no manatanteraka ny …
→
-
2725
Ny tolom-bavaka
Sady fanomezam-pahasoavana ny fivavahana no valin-teny raikitra avy amintsika. Mila ezaka lalandava ny mivavaka. Ireo mpivavaka malaza ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha teo alohan’i Kristy, ary koa i Maria Renin’Andriamanitra sy ireo olomasina …
→
-
2726
I. Ireo hevitra manohitra fivavahana
Amin’ny tolom-bavaka isika no manohitra, ao amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny manodidina antsika, an’ireo fihevitra diso momba ny fivavahana . Ny sasany dia mihevitra ny fivavahana ho asa ara-pisikôlôzia tsotra ihany, ny …
→
-
2727
I. Ireo hevitra manohitra fivavahana
Isika koa tokony hanohitra ireo toe-tsain’ “ny olon’ity tany ity”; tafiditra ao amintsika ireny raha tsy malina isika ; ohatra : izay voamarin’ny saina sy ny siansa ihany no marina (nefa anie …
→
-
2728
I. Ireo hevitra manohitra fivavahana
Farany, ny tolona ataontsika dia tsy maintsy hanoherana an’izay tsapantsika ho tsy fahombiazantsika amin’ny fivavahana : fahakiviana manoloana ny fahamainan’ny fo, alahelo amin’ny tsy fahafoizana manontolo ho an’ny Tompo, satria “manankarem-be” [17] …
→
-
2729
Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana
Ny fahasarotana mahazatra amin’ny fivavahantsika dia ny fihakahakan-kevitra . Mety ho mifantoka amin’ny teny sy ny dikany izany, amin’ny vavaka am-bava ; mety hifantoka lalindalina kokoa amin’Ilay izay ivavahantsika izany, amin’ny vavaka …
→
-
2730
Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana
Ny tena marina, ny tolona anoherana ny tenantsika mangeja sy mpanjakazaka, dia ny fiambenana sy ny fahatsoran’ny fo. Rahefa manantitrantitra momba ny fiambenana i Jesoa, dia mifandray lalandava Aminy izany, amin’ny Fahatongavany, …
→
-
2731
Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana
Ny fahasarotana hafa, indrindra ho an’ireo izay te-hivavaka amim-pahatsorana, dia ny fahamainan’ny fo . Tafiditra amin’ny vavaka am-po izany izay ny fo no voasakana, tsy mahazo tsirony amin’ny fieritreretana, amin’ny fahatsiarovana sy …
→
-
2732
Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana
Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika . Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro …
→
-
2733
Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana
Fakam-panahy hafa koa, izay anokafan’ny fihamboana ny varavarana mankao, dia ny fahalainana . Ny tian’ny Ray am-panahy ho lazaina amin’ izany dia ny endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fahaketrahan’ny famolahan-tena, ny fihenan’ny …
→
-
2734
III. Ny fitokiana maha-zanaka
Voasedra ny fitokiana maha-zanaka – voaporofo izany – ao anatin’ny fahoriana amam-pijaliana [20] . Ny manahirana indrindra dia ny mikasika ny vavaka fangatahana , na ho an’ny tena na ho an’ny hafa …
→
-
2735
Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ?
Ny fanamarinana aloha no tokony hahagaga antsika. Rahefa midera an’Andriamanitra isika na misaotra Azy noho ny soa ankapobeny avy Aminy, tsy dia miahiahy loatra isika ny hahalala raha ankasitrahan’ Andriamanitra ny fivavahantsika. …
→
-
2736
Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ?
Miaiky ve isika fa “na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Moa ve “ny zavatra tena mahasoa” no angatahintsika amin’Andriamanitra ? Fantatry ny Raintsika tokoa izay ilaintsika, …
→
-
2737
Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ?
“Ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo. Mangataka ianareo, fa tsy mahazo, satria ratsy fangataka ianareo, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo” (Jak 4,2-3) [23] . Raha amin’ny fo voazarazara …
→
-
2738
Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ?
Ny fanambaràna momba ny fivavahana ao amin’ny fitantanam-pamonjena no mampianatra antsika fa miankina amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tantara ny finoana. Ny fitokiana maha-zanaka dia avy amin’ny asany tsara indrindra : ny fijaliana …
→
-
2739
Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ?
Ao amin’i Md Paoly, tena fahasahiana tokoa izany fitokiana izany [27] , miorina amin’ny vavaky ny Fanahy ao amintsika sy amin’ny fitiavan’ny Ray tsy mivadika izay nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana [28] …
→
-
2740
Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ?
Ny vavak’i Jesoa no mahatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Izy no môdelintsika amin’izany, Izy no mivavaka ao amintsika sy miaraka amintsika. Satria ny fon’ny Zanaka tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly …
→