Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1441 Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra [34] . Satria i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, koa dia Izy ihany no milaza ny amin’ny Tenany : “Ny Zanak’Olona manana fahefana ety an-tany hanafaka …
  2. 1442 Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana Sitrak’i Kristy raha ny Fiangonany manontolo, ao amin’ny fivavahany sy ny fiainany ary ny asa amam-pitondran-tenany, no ho famantarana sy fitaovan’ny famelan-keloka sy fampihavanana izay nampahazoany antsika noho ny rany. Nankininy tamin’ny …
  3. 1443 Fampihavanana amin’ny Fiangonana Nandritra ny fiainany ampahibemaso, tsy namela ny fahotana fotsiny i Jesoa, fa nampiseho koa ny vokatr’io famelana io : nampiditra indray ny mpanota voavela heloka ho ao amin’ny fiombonan’ny Vahoakan’ Andriamanitra Izy, …
  4. 1444 Fampihavanana amin’ny Fiangonana Tamin’ny nanomezan’ny Tompo ny anjara fahefan’ny Tenany manokana hamela ny fahotana, ho an’ny apôstôly, no nanomezany azy ireo koa ny fahefana hampihavana ny mpanota amin’ny Fiangonana. Izany halehiben’ ny lahasan’izy ireo momba …
  5. 1445 Fampihavanana amin’ny Fiangonana Ny teny hoe mamehy sy mamaha dia midika hoe : ilay izay horoahinareo tsy ho ao amin’ny fiombonanareo, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ; ilay izay horaisinareo indray …
  6. 1446 Ny sakramentan’ny famelan-keloka Nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana i Kristy ho an’ny rantsambatany rehetra mpanota, rantsambatan’ny Fiangonany, indrindra moa ho an’ireo izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe sy namery ny fahasoavan’ny Batemy tamin’izany ary nandratra ny …
  7. 1447 Ny sakramentan’ny famelan-keloka Nandritra ny taonjato nifandimby, ny endrika azo tsapain-tanana, araka ny nampiasan’ny Fiangonana io fahefana noraisina avy amin’ny Tompo io, dia niovaova be ihany. Nandritra ny taonjato voalohandohany, ny fampihavanana ny kristianina izay …
  8. 1448 Ny sakramentan’ny famelan-keloka Tamin’ny alalan’ny fiovaovàna izay nodiavin’ny fitsipika sy ny fankalazana an’ity sakramenta ity nandritra ny taonjato nifandimby, no nanavahana ny rafitra fototra iray ihany tsy miova. Manana singafototra anankiroa samy ilaina izy ; …
  9. 1449 Ny sakramentan’ny famelan-keloka Maneho ny singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity, ny rijan-teny famotsoran-keloka fampiasa ao amin’ny Fiangonana latinina : ny Rain’ny famindram-po no loharanon’ny famelana rehetra. Izy no manatanteraka ny fampihavanana ny mpanota …
  10. 1450 VII. Ny asan’ny mpivalo “Ny Fivalozana no manery ny mpanota hanaiky an-tsitrapo ny singafototra rehetra amin’izany : ao am-pony, ny fanenenana ; amin’ny vavany, ny fiekena ny fahotana ; amin’ny fihetsiny, ny fanetren-tena feno tanteraka na …
  11. 1451 Ny fanenenana Ny fanenenana no loha laharana, amin’ireo asan’ny mpivalo. Ny fanenenana dia “alahelon’ny fo sy fankahalana ny fahotana natao, omban’ny fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy” [43] .
  12. 1452 Ny fanenenana Raha avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra tiana mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fanenenana, dia antsoina hoe “lavorary” izy (fanenenana avy amin’ny fitiavana). Ny fanenenana toy izany dia mahafaka ny fahotana madinika ; …
  13. 1453 Ny fanenenana Ny fanenenana lazaina hoe “tsy lavorary” (na “fanenenana tsara antoniny”), dia fanomezan’Andriamanitra koa, tosi-kerim-pamporisikin’ ny Fanahy Masina. Mipoitra avy amin’ny fiheverana ny haratsian’ny fahotana izy io, na avy amin’ny fahatahorana ny ho …
  14. 1454 Ny fanenenana Tsara ny manomana ny fandraisana an’ity sakramenta ity amin’ny fandinihana ny kônsiansy atao eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny lahatsoratra sahaza indrindra amin’izany dia tadiavina ao amin’ny Didy folo sy ao amin’ny katesezy …
  15. 1455 Fikônfesena ny fahotana Ny fikônfesena ny fahotana (fiekena), na amin’ny fomba fijery maha-olona tsotra fotsiny izao aza, dia manafaka antsika sy manamora ny fihavanantsika amin’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fiekena no ijeren’ny olona eo anoloany ny …
  16. 1456 Fikônfesena ny fahotana Ny fikônfesena ny fahotana amin’ny Pretra dia anisan’ny ampahany tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Fivalozana : “Ny mpivalo, amin’ny alalan’ny kônfesy, dia tsy maintsy mitanisa ny fahotana mahafaty rehetra izay tsaroany rahefa …
  17. 1457 Fikônfesena ny fahotana Araka ny didin’ny Fiangonana, “ny mpino rehetra tonga amin’ny taona mahavory saina, dia tsy maintsy mikônfesy ny fahotana lehibe izay tsaroany, fara fahakeliny indray maka isan-taona” [50] . Ilay izay mahatsiaro tena …
  18. 1458 Fikônfesena ny fahotana Na tsy hentitra aza ny ilana ny fikônfesena ny hadisoana isan’andro (fahotana madinika), dia hafatrafaran’ny Fiangonana tokoa ny hanaovana izany [54] . Satria, ny mikônfesy matetika ny fahotana madinika no manampy antsika …
  19. 1459 Ny fanonerana Maro ny fahotana mitera-pahavoazana ho an’ny namana. Tsy maintsy manao izay azao atao mba hanonerana izany (ohatra : mamerina ny zavatra nangalarina, manarina ny lazan’izay nendrikendrehina, mitsabo ny ratra). Mitaky izany ny …
  20. 1460 Ny fanonerana Ny fivalozana izay andidian’ny mpampikônfesy dia tokony hoheverina amin’ny toerana manokana misy ny mpivalo ary tokony hikendry ny soa ho an’ny fanahiny. Tokony hifanentana araka izay azo atao amin’ny halehibe sy amin’ny …