Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1581
Ny marika tsy maty vonoina
Ity sakramenta ity dia mampitovy endrika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hampiasaina ho fitaovan’i Kristy ho an’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fanamasinana ho amin’ny filaharana masina no …
→
-
1582
Ny marika tsy maty vonoina
Tahaka ny amin’ny Batemy sy ny amin’ny Fankaherezana, izany fandraisana anjara amin’ny raharahan’i Kristy izany dia ankatoavina indray mandeha ihany. Ny sakramentan’ny Filaharana dia mampisy koa marika ara-panahy tsy maty vonoina ary …
→
-
1583
Ny marika tsy maty vonoina
Ny olona iray voahosotra ara-dalàna ho mpandraharaha masina dia azo esorina, mazava loatra, raha misy antony lehibe, amin’ny adidy aman’andraikitra sy amin’ny anjara raharaha mifandray amin’ny fanamasinana azy, na sakanana tsy hampiasa …
→
-
1584
Ny marika tsy maty vonoina
Satria fantatra fa i Kristy no miasa sy manatanteraka ny famonjena amin’ ny alalan’ny mpandraharaha voahosotra, noho izany tsy hahasakana an’i Kristy hiasa ny mpandraharaha voahosotra ratsy toetra [81] . Izao no …
→
-
1585
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina manokana amin’ity sakramenta ity dia ny fanahafana amin’i Kristy Mpisorona, Mpampianatra ary Mpiandry ondry, izay nanokanana an’ilay nohamasinina ho mpandraharaha voahosotra.
→
-
1586
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ho an’ny Eveka, ny fahasoavana ahazoana hery aloha (“Ny Fanahy izay mahatonga ho filoha” : vavaka fanamasinana ny Eveka amin’ny fombam-pivavahana latinina [83] ) dia ny fahasoavana hitantanana sy hiarovana amin-kery sy …
→
-
1587
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ny fanomezana ara-panahy izay omen’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-pretra dia voambara amin’ity vavaka manokana amin’ny fombam-pivavahana bizantinina ity. Anisan’ny lazain’ny Eveka amin’ izany, eo am-pametrahan-tanana, ny hoe : Tompo ô, fenoy …
→
-
1588
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Raha ny amin’ny Diakra, “ny fahasoavana ara-tsakramenta no manome azy ireo ny hery ilaina hanompoana ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny "asa fanompoana" amin’ny litorzia, ny teny ary ny fifankatiavana, amin’ny fiombonana amin’ny Eveka sy …
→
-
1589
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Manoloana ny halehiben’ny fahasoavana sy ny fiadidiana maha-mpisorona, dia mahatsapa ao aminy ny antso maika ho amin’ny fibebahana ireo mpampianatra masina, mba hampifanaraka ny fiainan’izy ireo manontolo amin’ny an’Ilay izay nanangana azy …
→
-
1590
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Hoy i Md Paoly tamin’i Timôte mpianany : “ Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezana izay napetrak’Andriamanitra ao anatinao tamin’ny fametrahako tanana taminao ” (2 Tim 1,6), ary “ izay …
→
-
1591
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Vahoaka mpisorona ny Fiangonana manontolo. Noho ny Batemy, mandray anjara amin’ny fisoronan’i Kristy ny mpino rehetra. Antsoina hoe “ fisoronana iombonan’ny mpino ” izany fandraisana anjara izany. Ao amin’ny fotony sy amin’ny …
→
-
1592
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Samy hafa mihitsy amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra satria manome fahefana masina ho an’ny fanompoana ny mpino ity. Ny mpandraharaha voahosotra dia manao ny asany eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny …
→
-
1593
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Efa hatrany am-piandohana no nanomezana sy nampiasana tamin’ny ambaratonga telo ny andraiki-panompoana masina : ny an’ny Eveka, ny an’ny Pretra ary ny an’ny Diakra. Ny andraiki-panompoana nomena tamin’ny alalan’ny fanamasinana dia tsy …
→
-
1594
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Mandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana ny Eveka, izay mampiditra azy ao amin’ny Fiombonam-piadidian’ny maha-eveka sy mahatonga azy ho filoha hita maso ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana izay ankinina aminy. Ireo Eveka, amin’ny …
→
-
1595
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Miray amin’ny Eveka ireo Pretra amin’ny fahambonian’ny maha-mpisorona sady miankina aminy koa amin’ny fanaovana ny anjara raharaha maha-mpiandry ondry azy ireo ; voantso ho mpiara-miasa kinga saina amin’ny Eveka izy ireo ; …
→
-
1596
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Mpandraharaha voahosotra ho amin’ny lahasa fanompoana ny Fiangonana ny Diakra ; tsy mandray ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra izy, kanefa ny fanamasinana dia manome azy anjara raharaha mavesa-danja amin’ny andraiki-panompoana ny Teny, amin’ny …
→
-
1597
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ny sakramentan’ny Filaharana dia omena amin’ny fametrahan-tanana arahin’ny vavaka fanamasinana manetriketrika izay angatahina amin’ Andriamanitra ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilain’ilay hamasinina amin’ny andraiki-panompoany. Mampisy marika ara-tsakramenta tsy maty vonoina ny fanamasinana ho …
→
-
1598
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ny lehilahy (viris) vita batemy no hany azon’ny Fiangonana omena ny sakramentan’ny Filaharana, ka fantatra sy hita araka ny voadidy fa manana ny fahafahana mampiasa ny andraiki-panompoana. Anjaran’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny adidy …
→
-
1599
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny Fiangonana latinina, ny sakramentan’ny Filaharana ho amin’ny maha-pretra dia tsy omena araka ny fomba mahazatra afa-tsy amin’izay olona vonona hisafidy an-kalalahana ny ho mpitovo, ary maneho ampahibemaso ny sitrapony hitandrina …
→
-
1600
Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina
Anjaran’ny Eveka no manome ny sakramentan’ny Filaharana amin’ny ambaratonga telo.
→