Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1601
Ny sakramentan’ny Fanambadiana
“Ny fifanekena ara-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’izy samy izy tokantrano iray ho amin’ny fiainana manontolo, nalahatra araka ny toetrany voa-Janahary amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa …
→
-
1602
I.Ny fanambadiana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra
Ny fitoviana endrika sy ny fifanahafana amin’Andriamanitra no anombohan’ny Soratra Masina ny fahariana ny lehilahy sy ny vehivavy [94] , ary ny fahitana ny “fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 19,9) no amaranany izany [95] …
→
-
1603
Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary
“Naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana, ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina izay noforonin’ny mpivady. Ny Tenan’Izy Andriamanitra no mpamorona ny fanambadiana” [97] . Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny …
→
-
1604
Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary
Andriamanitra, izay nahary ny olombelona tamin’ny fitiavana, dia niantso azy koa ho amin’ny fitiavana, fiantsoana fototra sy hatrany am-bohoka ho an’ny olona rehetra. Satria ny olombelona dia noarìna mitovy endrika sy mifanahaka …
→
-
1605
Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary
Noarìna mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka hoy ny Soratra Masina manamafy izany : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18). Ny vehivavy, “nofo avy amin’ny nofony” [103] , …
→
-
1606
Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana
Ny olona rehetra dia samy mahatsapa ny fisian’ny ratsy, manodidina azy sy ao amin’ny tenany ihany koa. Io fahatsapana io dia miseho koa eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Amin’ny fotoana …
→
-
1607
Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana
Araka ny finoana, io korontana io, izay tsapantsika mankarary, dia tsy avy amin’ny toetra voa-Janahary ny lehilahy sy ny vehivavy, na avy amin’ ny toetra voa-Janahary ny fifandraisan’izy ireo, fa avy amin’ny …
→
-
1608
Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana
Kanefa, maharitra ny filaminan’ny zavaboary, na dia voakorontana mafy aza izany. Mba hanasitranana ny ratram-pahotana, ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanampian’ny fahasoavana izay tsy ho lavin’Andriamanitra na oviana na oviana, noho …
→
-
1609
Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny Lalàna
Amin’ny famindram-pony, tsy nandao ny olombelona mpanota Andriamanitra. Ny sazy izay manjohy ny fahotana, ny fanaintainam-piterahana [113] , ny asa “amin’ny hatsembohan’ny tavanao” (Jen 3,19), dia mitambatra koa ho fanafody izay mametra …
→
-
1610
Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny Lalàna
Ny kônsiansy môraly momba ny maha-tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana, dia nivelatra teo ambany fanabeazan’ny lalàna taloha. Tsy mbola notoherina tamin’ny fomba tena mazava tsara, ny fampirafesan’ ireo razambe sy …
→
-
1611
Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny Lalàna
Ny fandinihana ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra tamin’i Israely, izay naseho an-tsary tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady, tokana sy tsy mivadika [115] , no nanomanan’ny mpaminany ny kônsiansin’ny vahoaka voafidy amin’ny fahatakarana lalina ny maha-tokana sy tsy …
→
-
1612
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Ny fifanekem-panambadiana teo amin’Andriamanitra sy i Israely vahoakany no nanomanana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ; amin’io Fanekem-pihavanana io no toa nampiray ny Tenany tamin’ny olombelona rehetra novonjeny ny Zanak’Andriamanitra [117] , …
→
-
1613
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Tamin’ny fiandohan’ny fiainany ampahibemaso no nanaovan’i Jesoa ny famantarana voalohany – noho ny fangatahan’ny Reniny – tamin’ny fety fampakaram-bady iray [118] . Manome lanjany lehibe tamin’ny fanatrehan’i Jesoa ny fampakaram-bady tao Kanà …
→
-
1614
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Tamin’ny fitorian-teniny, nampianatra mivantana tsy misy olakolaka ny hevitra ifotony ny amin’ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy i Jesoa, araka izay sitraky ny Mpahary azy hatrany am-piandohana : ny fahazoan-dalana nomen’i Môizy, …
→
-
1615
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Izany fanantitranterana tsy misy olakolaka ny amin’ny maha-tsy azo ravana ny fifamatorana ara-panambadiana izany dia mety hanjary mahasanganehana sy miseho ho toy ny fitakiana tsy azo tanterahina [120] . Kanefa i Jesoa …
→
-
1616
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Izany no mahatonga an’i Md Paoly apôstôly nampahafantatra tamin’ny filazana hoe : “Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana ; nanolo-Tena ho azy Izy, mba hanamasina azy” (Efez …
→
-
1617
Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo
Ny fiainana kristianina manontolo no mitondra ny mariky ny fifankatiavan’ny maha-mpivady ao amin’i Kristy sy ny Fiangonana. Amin’ny Batemy, izay fidirana ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia efa misy misterim-panambadiana : izy, raha azo …
→
-
1618
Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra
I Kristy no foiben’ny fiainana kristianina manontolo. Ny fifamatorana Aminy no mitana toerana voalohany eo anatrehan’ny fifamatorana hafa rehetra, na ara-pianakaviana na ara-piaraha-monina [126] . Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy …
→
-
1619
Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra
Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra dia fivelaran’ ny fahasoavan’ny Batemy, famantarana mahery izay maneho ny fahambonian’ny fifamatorana amin’i Kristy, amin’ny fiandrasana amin-kafanam-po ny fiverenany, famantarana izay mampahatsiaro koa fa …
→
-
1620
Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra
Ireo roa ireo, izany hoe ny sakramentan’ny Fanambadiana sy ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia avy amin’ny Tenan’Izy Tompo mihitsy. Izy no mampisy heviny an’ireo sy manome an’ireo ny fahasoavana …
→