Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1761
II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy
Misy ireo fihetsika amam-pitondran-tena hita miharihary, izay mahadiso lalandava ny mifidy azy, satria ny fifidianana azy dia mahatonga ny faharatsian’ny asan’ny sitrapo, izany hoe ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena. Tsy azo atao ny manao ratsy …
→
-
1762
Ny toetram-pitondran-tena amin’ny firehetam-po
Mamboatra ny tenany ho amin’ny hasambarana ny olombelona, amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny nahim-po : mety handrisika azy amin’izany sy hanampy azy amin’izany ny firehetam-po na ny fihetseham-po izay sedrainy.
→
-
1763
I. Ny firehetam-po
Anisan’ny lovasoa kristianina ny teny hoe “firehetam-po”. Anondroana ny fiontanam-po na ny fihetsi-pahatohinana ny hoe fihetseham-po na ny firehetam-po, izay mampirona hanao na tsy hanao eo anatrehan’izay tsapa na eritreretina ho tsara …
→
-
1764
I. Ny firehetam-po
Ireo firehetam-po no singafototry ny toetra maha-izy ny fiasan’ny sain’ olombelona ; ireo no mamolavola ny foto-piovàna sy manamafy orina ny fifamatoran’ny fiainam-pahatohinana sy ny fiasan’ny saina. Ny Tompontsika dia manondro ny …
→
-
1765
I. Ny firehetam-po
Maro ny firehetam-po. Ny fitiavana izay mampirisika ho amin’ny tsara no firehetam-po lehibe indrindra. Ny fitiavana no miteraka ny faniriana ny tsara izay tsy ananana sy ny fanantenana hahazo izany. Tanteraka ao …
→
-
1766
I. Ny firehetam-po
“Ny tia dia ny maniry ny soa sy ny tsara hoan’ny hafa” [60] . Ny fitiavana hafa rehetra dia manana ny loharanon’izy ireo ao amin’izany fihetsika fototra an’ny fon’ny olombelona ho amin’izany …
→
-
1767
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Raha ny maha-firehetam-po ny firehetam-po fotsiny dia sady tsy tsara no tsy ratsy izy. Tsy omena ny filazan-toetra ara-môraly izy afa-tsy izay ankininy tokoa amin’ny saina sy ny sitrapo. Antsoina hoe an-tsitrapo …
→
-
1768
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Ireo fihetseham-po lehibe dia tsy manapa-kevitra na amin’ny toetram-pitondran-tena na amin’ny fahamasinan’ny olona ; izy ireny no ilay toeram-pitahirizana tsy mety ritra ireo fahatsiarovana sy ireo firaiketam-pitia izay isehoan’ny fiainana ara-môraly. Ny …
→
-
1769
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Amin’ny fiainana kristianina, ny Tenan’ny Fanahy Masina no manatontosa ny tsanganasany amin’ny fampihetsehana ny olona manontolo, ao anatin’izany ny fijaliany, ny tahotra mahazo azy ary ny alahelony, tahaka izay niseho tamin’ny Fiadian’ain’ny …
→
-
1770
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Ny fahalavorariana ara-môraly dia tsy ny mba handrisika ny olona hanao ny tsara amin’ny alalan’ny finiavany ihany, fa koa amin’ny alalan’ny fahalianan’ny nofony, araka ity tenin’ny salamo ity hoe : “Mientan-kafaliana amin’Andriamanitra …
→
-
1771
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
.Manambara ny firaiketam-pitia na ny fihetseham-po ny teny hoe “ firehetam-po ” . Amin’ireny fiontanam-pony ireny ny olona no mahatsinjo mialoha ny tsara sy manahy sahady koa ny ratsy.
→
-
1772
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Ireto no firehetam-po lehibe indrindra : ny fitiavana sy ny fankahalana, ny faniriana sy ny fahatahorana, ny hafaliana, ny alahelo ary ny fahatezerana.
→
-
1773
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
.Amin’ireo firehetam-po, toy ireo fihetsi-pahatohinana, dia tsy misy hoe tsara na ratsy ara-môraly. Kanefa arakaraka ny iankinan’ireny na tsia amin’ny saina sy ny sitrapo no maha-tsara azy na maha-ratsy azy ara-môraly.
→
-
1774
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
Ny fiontanam-po sy ny fihetseham-po dia mety ho zakaina amin’ny hatsaram-panahy na mety ho simbàna amin’ny haratsiam-panahy.
→
-
1775
II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly
.Ny fahalavorarian’ny tsara ara-môraly, dia ny mandrisika ny olona ho amin’ny tsara tsy avy amin’ny finiavany ihany, fa avy amin’ny “ fony ” koa.
→
-
1776
Ny kônsiansy môraly
“Tsapan’ny olombelona ao amin’ny kônsiansiny lalina ao ny fisiana lalàna iray izay tsy avy amin’ny tenany, nefa manery azy hanaiky izany. Io feo io izay tsy mitsahatra ny manery azy ho tia …
→
-
1777
I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy
Ny kônsiansy môraly izay voasoratra ao am-pon’ny olona [66] , no mandidy azy hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany. Izy koa no mitsara ny safidy azo tsapain-tanana, …
→
-
1778
I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy
Ny kônsiansy môraly dia fitsaràn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-môraly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana izay hapetrany, ka mbola eo am-panatanterahana izany na efa notanterahina. Ny olona, amin’izay rehetra lazainy …
→
-
1779
I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy
Zava-dehibe ilaina amin’ny tsirairay ny ampy fahatsiarovan-tena mba hihaino sy hanaraka ny feon’ny kônsiansiny. Izany fangatahana hahatsapa ao anaty izany dia ilaina tokoa noho ny fiainana, izay matetika mitarika antsika tsy hisaintsaina, …
→
-
1780
I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy
Milaza tsy mivantana sy mitaky ny fahitsian’ny kônsiansy môraly ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny kônsiansy môraly no mampahazo an-tsaina ny fototry ny toetram-pitondran-tena (fahalalam-pitsipika voa-Janahary), ny fampiharana azy ireny amin’ny fisehoan-javatra avy amin’ny …
→