Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1901 I. Ny fahefana mifehy Raha avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ny fahefana mifehy, “ny mametra amin’izay ho lasi-pitondram-panjakana kosa, toy izany koa ny manendry izay ho mpitondra azy ireo, dia tokony havela hiankina amin’ny sitrapo malalaky ny …
  2. 1902 I. Ny fahefana mifehy Tsy avy amin’ny tenany no hahatonga ny fahefana mifehy ho ara-dalàna ara-môraly. Tsy tokony hanao teniko fe lehibe sy didy boraingona izy, fa hiasa ho an’ny soa iombonana, ka mova tsy “hery …
  3. 1903 I. Ny fahefana mifehy Tsy miasa ara-dalàna ny fahefana mifehy raha tsy ny soa iombonan’ny vondron’olona noheverina ho amin’izany no katsahiny, ary mba hahatratrarany izany, dia ny fomba ara-pitsipi-pitondran-tena eken’ny lalàna no ampiasainy. Raha sendra mamoaka …
  4. 1904 I. Ny fahefana mifehy “Tsaratsara kokoa ny fahefana rehetra, raha ampifandanjana amin’ny fahefana hafa sy amin’ny fahefana manapaka hafa izay mampaharitra azy ao anaty fetra ara-drariny. Izany no fitsipika fototry "ny Fanjakana tan-dalàna" izay ny lalàna …
  5. 1905 II. Ny soa iombonana Araka ny toetra voa-Janahary ny fiaraha-monin’ny olombelona, dia tsy maintsy ampifandraisana amin’ny soa iombonana ny soa ho an’ny tsirairay. Tsy mety ho voafaritra mazava ny hoe soa iombonana raha tsy ampifandraisina amin’ny …
  6. 1906 II. Ny soa iombonana Ny hoe soa iombonana, dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra na ny mpikambana tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa” [27] . …
  7. 1907 II. Ny soa iombonana Ny ilainy voalohany dia ny fanajana ny olona amin’ny maha-olona azy. Amin’ny anaran’ny soa iombonana, dia tsy maintsy manaja ny zo fototra sy tsy azo foanana ananan’ny olona ny Fanjakana. Tsy maintsy …
  8. 1908 II. Ny soa iombonana Faharoa manaraka izany, ilain’ny ny soa iombonana ny fiadanan’ny mpiara-monina sy ny fampandrosoana ny vondrona amin’ny maha-izy azy. Ny fampandrosoana no famintinana ny adidy rehetra ara-piaraha-monina. Marina fa anjaran’ny fahefana mifehy ny …
  9. 1909 II. Ny soa iombonana Farany, ilain’ny soa iombonana ny fandriampahalemana , izany hoe ny faharetana sy ny filaminan-tsaina avy amin’ny filaminana marina. Koa ilainy àry ny hiantohan’ny fahefana mifehy, amin’ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain ’ny mpiara-monina …
  10. 1910 II. Ny soa iombonana Isaky ny fikambanan’ny olona dia samy manana soa iombonana izay ahafahany mahalala ny tenany amin’ny maha-izy azy, fa ao amin’ny vondrom-bahoaka kosa no ahitana ny fahatanterahany feno indrindra. Anjaran’ny Fanjakana ny miaro …
  11. 1911 II. Ny soa iombonana Mihamitombo ny fifampiankinan’ny olombelona. Miitatra tsikelikely manerana ny tany tontolo izany. Ny mahairay ny fianakavian’olombelona, amin’ny famondronana ny olona mizaka ny fahamendrehana voa-Janahary mitovy, dia mahatonga ny soa iombonana ho an’ny daholobe …
  12. 1912 II. Ny soa iombonana Tantanina lalandava ho amin’ny fivoaran’ny olona ny soa iombonana : “Tokony hofehezin’ny rafi-pandaminan’ny olona ny rafi-pandaminana ny zavatra samihafa, fa tsy ny mifanohitra amin’izany tsy akory” [31] . Ny fahamarinana no fototr’io …
  13. 1913 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fandraisana anjara no firotsahan’ny olona an-tsitrapo sy malala-tanana eo amin’ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Ilaina ny andraisan’ny rehetra anjara, samy araka ny toerana misy azy sy ny anjara asa sahaniny, hampandrosoana ny soa …
  14. 1914 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fandraisana anjara aloha dia tanteraka amin’ny fandraisana ho andraikitra eo amin’ny sehatra izay izakana ny adidin’ny olona tsirairay : amin’ny fikarakarana atao amin’ny fanabeazana ny fianakaviany sy amin’ny fahatsiarovan-tena amin’ny asany, …
  15. 1915 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny olom-pirenena dia tokony handray anjara amim-pahavitrihana araka izay azo atao amin’ny fiainam-bahoaka . Ny fombafomba amin’io fandraisana anjara io dia mety miovaova arakaraka ny tany onenana sy ny kolontsain’ny mponina. “Tokony …
  16. 1916 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampiasana ny soa iombonana, toy ny adidy rehetra araka ny lalàm-pitondran-tena, dia mitarika fibebahan’ ireo mpiombon’antoka ara-piaraha-monina, izay fibebahana avaozin’izy ireo tsy an-kijanona. Ny fitaka sy ny …
  17. 1917 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Anjaran’ireo mizaka ny fahefana mifehy ny manamafy ny soatoavina izay hahasarika ny fitokian’ny mpikambana rehetra ao anatin’ireny fikambanana ireny sy hamporisika azy ireo hirotsaka hanasoa ny naman’ izy ireo. Manomboka amin’ny fanabeazana …
  18. 1918 III. Andraikitra sy fandraisana anjara “ Tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa ” (Rôm 13,1).
  19. 1919 III. Andraikitra sy fandraisana anjara Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy mba haharetany sy hiitarany.
  20. 1920 III. Andraikitra sy fandraisana anjara “ Ao amin’ny toetra maha-olombelona ny olombelona no fototra iorenan’ ny fiainam-bahoaka sy ny fahefan’ny Fanjakana, ary ao amin’izany no iankinan’izy ireo avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ” [36] .