Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2446 VI. Ny fitiavana ny mahantra Nampahatsiaro mafy izany i Md Jean Chrysostome : “Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin’ny fananany manokana, dia mangalatra amin’izy ireo sy manala amin’izy ireo ny aina. Tsy ny fananantsika no tazonintsika …
  2. 2447 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny tsanganasa fiantrana dia asa fitiava-namana izay amin’izany isika no manampy ny namantsika amin’ny zavatra ilainy ara-batana sy ara-panahy [58] . Ny mampianatra, ny manoro hevitra, ny mampionona, ny mampahery, dia tsanganasa …
  3. 2448 VI. Ny fitiavana ny mahantra “Amin’ireo endrim-pahoriana maro be : tsy fananana fitaovana, fampahoriana tsy an-drariny, kilema ara-batana sy ara-tsaina, ary farany ny fahafatesana, dia ny fahantran’ny olombelona no famantarana miharihary ny toetram-pahosana hatrany am-bohoka izay ao …
  4. 2449 VI. Ny fitiavana ny mahantra Nanomboka tamin’ny Testamenta Taloha, ny karazana famerana rehetra momba ny lalàna (taonan’ny famelan-keloka, fandraràna ny fampisamborana misy zana-bola sy ny fitanana ny antoka, ny didy fandoavana ny ampahafolom-pananana, ny fanefana isan’andro ny …
  5. 2450 VI. Ny fitiavana ny mahantra “ Tsy hangalatra ianao” (Det 5,19). “Tsy handova ny Fanjakan’ Andriamanitra, na ny mpangalatra, na ny kahihitra (…), na ny mpanao an-keriny ” (1 Kôr 6,10).
  6. 2451 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny didy fahafito dia mandidy hanao ny fahamarinana sy ny fitiava-namana eo amin’ny fitantanana ny haren’ny tany sy ny vokatry ny asan’ny olombelona.
  7. 2452 VI. Ny fitiavana ny mahantra Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Tsy manafoana ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, ny zo hanam-pananana manokana.
  8. 2453 VI. Ny fitiavana ny mahantra .Ny didy fahafito dia mandrara ny halatra. Fakana an-keriny ny fananan’ ny hafa, tsy araka ny sitrapo marina heverin’ny tompony, ny halatra.
  9. 2454 VI. Ny fitiavana ny mahantra .Mifanohitra amin’ny didy fahafito ny fomba rehetra akàna sy ampiasana tsy an-drariny ny fananan’ny hafa. Ny tsy fahamarinana natao dia mitaky fanonerana. Ny fahamarinana ara-pifanakalozana dia mitaky ny famerenana amin’ny tompony ny …
  10. 2455 VI. Ny fitiavana ny mahantra Raràn’ny lalàna môraly ny asa rehetra izay mitarika hanandevo olona, hividy azy ireo, hivarotra azy ireo ary hanakalo azy ireo ho toy ny entam-barotra, noho ny toetra matimatim-bola na mpanao bodo ngerona.
  11. 2456 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary amin’ny harena an-kibon’ny tany, harena avy amin’ny zavamaniry, harena avy amin’ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny fepetra ara-môraly, tafiditra amin’izany …
  12. 2457 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny biby dia nankinina amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ny olombelona, izay tokony haneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin’izy ireny. Afaka manampy amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny olombelona ny biby.
  13. 2458 VI. Ny fitiavana ny mahantra Maneho ny heviny momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina ny Fiangonana rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona. Miahy ireo soa iombonan’ny olona amin’izao fiainana eto an-tany …
  14. 2459 VI. Ny fitiavana ny mahantra .Ny tenan’ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon’ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vaholana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren’ny zavaboary nataon’ Andriamanitra ho an’ny rehetra, raha …
  15. 2460 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olombelona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Amin’ny asany ny olombelona no mandray anjara amin’ny tsanganasa fahariana. Raha ampiraisina amin’i Kristy ny asa, …
  16. 2461 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny fampivoarana tena izy, dia izay mahakasika ny olona manontolo. Atao izay hampitombo ny herim-pahazoan’ny isam-batan’olona mamaly ny fiantsoana azy, dia ny antson’Andriamanitra izany [66] .
  17. 2462 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny asa fiantrana atao amin’ny mahantra dia vavolombelon’ny fifankatiavana toy ny mpiray tam-po : fampiharana ny fahamarinana izay ankasitrahan’Andriamanitra rahateo izany.
  18. 2463 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ao amin’ireo olona tsy tambo isaina tsy manan-kanin-kohanina, tsy manan-kialofana, tsy manam-ponenana, ahoana no tsy ahatsiahivana an’i Lazara, ilay mpangataka mitofezaky ny hanoanana voalazan’ny fanoharana [67] ? Ahoana no tsy ahenoina an’i …
  19. 2464 Ny didy fahavalo Raràn’ny didy fahavalo ny manova ho diso ny marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Io didy ara-môraly io no mahatonga ny fiantsoana ny vahoaka masina ho vavolombelon’ilay Andriamaniny izay marina sy tia …
  20. 2465 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Manamarina izany ny Testamenta Taloha : Loharanon’ny fahamarinana rehetra Andriamanitra . Fahamarinana ny Teniny [68] . Fahamarinana ny Lalànany [69] . “Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany” (Sal 119,90) [70] . …