Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2526 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ilay izay antsoina hoe fitaiza migoragora eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena dia miorina amin’ny foto-pisainana diso momba ny fahafahan’ny olombelona ; mba hitarihana amin’ny soa sy ny tsara, ilain’ ny fahafahan’ny olombelona …
  2. 2527 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana “Manavao lalandava ny fiainana sy ny kolontsain’ny olona very hasina ny Vaovao Mahafalin’i Kristy : miady sy manala ny fahadisoana sy ny ratsy izay mipoitra avy amin’ny fanangolena maharitry ny fahotana izy. …
  3. 2528 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana “ Na iza na izamijery vehivavy amin’ny fitsiriritana azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady ” (Mt 5,28).
  4. 2529 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Mampitandrina momba ny fitsiriritana na fanirian-dratsin’ny nofo, ny didy fahasivy.
  5. 2530 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana .Ny ady atao hanoherana ny fitsiriritan’ny nofo, dia mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana mahalala onony.
  6. 2531 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ny fahadiovan’ny fo no ahafahantsika hahita an’Andriamanitra : izy no ahafahantsika mahita amin’izao ankehitriny izao ny zavatra rehetra araka an’Andriamanitra.
  7. 2532 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ny fandiovana ny fo dia mitaky fivavahana, fanarahana ny fahadiovam-pitiavana, fahadiovam-pikasana ary fahadiovam-pijery.
  8. 2533 II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana Ny fahadiovan’ny fo dia mitaky fahalalana menatra izay mila faharetana, fahamaotonana ary fahatanam-bava. Ny fahalalana menatra no miaro ny fiainan’ny olona manokana. “Tsy hitsiriritra (...) na inona na inona amin’izay an’ny namanao …
  9. 2534 Ny didy fahafolo Mampizara ho roa sy mameno ny fahasivy ny didy fahafolo, izay mifantoka amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo. Raràny ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa, izay fototry ny halatra, ny fandrobàna ary ny fitaka, izay raràn’ny …
  10. 2535 I. Ny fanimbàn’ny fitsiriritana Ny fahalianan’ny nofo no mandrisika antsika haniry ny zavatra mahafinaritra izay tsy ananantsika. Tahaka izany ny maniry hihinana rahefa noana, na hanafana tena rahefa mangatsiaka. Ireny faniriana ireny dia tsara amin’ny maha-faniriana …
  11. 2536 I. Ny fanimbàn’ny fitsiriritana Raràn’ny didy fahafolo ny fahalianana sy ny faniriana amin’ny fibodoana tsy misy fetrany ny haren’ny tany ; raràny ny fitsiriritan-karena tsy voafehy, ateraky ny firehetam-po tafahoatra amin’ny harena sy ny heriny. Mbola …
  12. 2537 I. Ny fanimbàn’ny fitsiriritana Tsy mandika ity didy ity izay maniry hahazo ny zavatra izay ananan’ny namana, raha toa ka amin’ny fomba araka ny rariny no anaovany izany. Ny katesezy fanao hatrizay dia mampiseho miaraka amin’ny …
  13. 2538 I. Ny fanimbàn’ny fitsiriritana Takìn’ny didy fahafolo ny androahana ny fialonana ao am-pon’ny olombelona. Tamin’i Natàna mpaminany te handrisika ny fanenenan’i Davida mpanjaka, dia notantarainy taminy ny tantaran’ilay mahantra, tsy nanana afa-tsy ondrivavy iray, ka nokarakarainy …
  14. 2539 I. Ny fanimbàn’ny fitsiriritana Fahotana fototry ny hafa ny fialonana. Izy no enti-milaza ny alahelo tsapa eo anoloan’ny fananan’ny hafa sy ny faniriana tsy voafehy hibodo izany, amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Raha maniry ratsy lehibe ho …
  15. 2540 I. Ny fanimbàn’ny fitsiriritana Ny fialonana no mampiseho ny iray amin’ireo endriky ny alahelo ratsy ka noho izany fandavana ny fitiava-namana ; hotoherin’ny vita batemy amin’ ny alalan’ny fahalemem-panahy izany. Ny fialonana, matetika, dia avy amin’ny …
  16. 2541 II. Ny fanirian’ny Fanahy Ny fitantanam-pamonjena momba ny lalàna sy ny fahasoavana no mampanalavitra ny fon’ny olombelona amin’ny fitsiriritan-karena sy ny fialonana ; izy no manoro lalana ny fon’ny olombelona haniry ilay Soa Ambony indrindra ; …
  17. 2542 II. Ny fanirian’ny Fanahy Ny lalàna nankinina tamin’i Israely dia tsy ampy na oviana na oviana, hanamarina an’ireo izay nankato izany ; vao mainka aza nanjary fitaovam-piasan’ny “fitsiriritana” ny lalàna [129] . Ny tsy fampirindràna eo …
  18. 2543 II. Ny fanirian’ny Fanahy “Ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa-Kristy miantefa amin’izay rehetra mino” (Rôm 3,21-22). …
  19. 2544 III. Ny fahantran’ny fo Mandidy ireo mpianany i Jesoa ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra, ary manome hevitra azy ireo hahafoy ny fananany rehetra [133] noho ny fitiavana Azy sy …
  20. 2545 III. Ny fahantran’ny fo Ny mpino rehetra an’i Kristy dia “hanitsy araka ny mety ny fankamamian’ izy ireo ny fampiasana ny zavatr’izao tontolo izao sy ny firaiketam-po amin’ny harena mifanohitra amin’ny toe-tsaim-pahantrana araka ny Evanjely, mba …