Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2626 I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana Ny fisaorana dia maneho ny fihetsiky ny halalin’ny fivavahana kristianina: izy no fihaonan’Andriamanitra sy ny olombelona ; ao aminy ny Fanomezan’Andriamanitra sy ny fandraisan’ny olombelona no mifampiantso sy miray. Ny vavaka fisaorana …
  2. 2627 I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana Endrika fototra anankiroa no maneho izany fihetsika izany : indraindray amin’ny endrika miakatra, entin’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’i Kristy, mankany amin’ny Ray (misaotra Azy isika noho ny nitsofany rano antsika [105] ); …
  3. 2628 I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana Ny fitsaohana dia fihetsika voalohany ataon’ny olombelona izay miaiky ho zavaboary eo anatrehan’ny Mpahary azy. Ny fitsaohana no midera ny halehiben’ny Tompo izay nanao antsika [107] sy ny maha-Mahefa ny zava-drehetra ny …
  4. 2629 II. Ny vavaka fangatahana Betsaka ny fahasamy hafa kely ny voambolana momba ny fitalahoana, ao amin’ny Testamenta Vaovao : mangataka, mitalaho, manao lemozy, miantso, mikiaka, mitaraina, ary mitolona mihitsy amin’ny vavaka [109] . Kanefa ny endriny …
  5. 2630 II. Ny vavaka fangatahana Tsy dia betsaka vavaka fitarainana mafy ao amin’ny Testamenta Vaovao, kanefa hita matetika kosa ao amin’ny Testamenta Taloha. Manomboka ao amin’i Kristy nitsangan-ko velona ny fangatahan’ny Fiangonana no entin’ny fanantenana, na mbola …
  6. 2631 II. Ny vavaka fangatahana Ny fangataham-pamelana no fihetsika voalohany amin’ny vavaka fangatahana (jereo ilay poblikanina : “Mamindrà fo amiko fa mpanota aho”, Lk 18,13). Izy no mialoha amin’ny vavaka marina sy madio tsy misy fahony. Ny …
  7. 2632 II. Ny vavaka fangatahana Ny fangatahana kristianina dia miompana amin’ny faniriana sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho tonga, araka ny fampianaran’i Jesoa [111] . Misy ambaratonga amin’ireo fangatahana : voalohany, ny Fanjakan’Andriamanitra, manaraka izany, izay …
  8. 2633 II. Ny vavaka fangatahana Rahefa mandray anjara toy izany amin’ny fitiavana mahavonjy avy amin’ Andriamanitra, dia mahazo an-tsaina fa ny filana rehetra dia mety hanjary fototry ny fangatahana. I Kristy izay nizaka tao Aminy ny zavatra …
  9. 2634 III. Ny vavaka fitalahoana Ny fitalahoana dia vavaka fangatahana izay mahatonga ny fivavahantsika hitovy akaiky amin’ny vavak’i Jesoa. Izy no Mpanalalana tokana eo akaikin’ ny Ray mba ho an’ny olombelona rehetra, singanina manokana ny mpanota [117] …
  10. 2635 III. Ny vavaka fitalahoana Ny mitalaho, ny mangataka ho an’ny hafa, nanomboka tamin’i Abrahama, dia toetran’ny fo manokana mifanaraka amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra. Ao anatin’ny fotoanan’ny Fiangonana, ny fitalahoana kristianina dia mandray anjara amin’ny an’i Kristy : …
  11. 2636 III. Ny vavaka fitalahoana Niaina fatratra izany endrika fifampizàrana izany ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany [119] . Nampandray anjara azy ireo toy izany i Paoly apôstôly tamin’ny andraiki-panompoany ny Evanjely [120] , nefa mitalaho koa ho azy …
  12. 2637 IV. Ny vavaka fisaorana Ny fisaorana no mamaritra mazava ny vavaky ny Fiangonana, izay mampiseho sy mahatonga bebe kokoa ny maha-izy azy, amin’ny fankalazana ny Eokaristia. Satria, i Kristy, amin’ny tsanganasam-pamonjena, no manafaka ny zavaboary amin’ny …
  13. 2638 IV. Ny vavaka fisaorana Toy ny amin’ny vavaka fangatahana, mety hanjary fanati-pisaorana avokoa ny zava-miseho rehetra sy ny filana rehetra. Manomboka sy mifarana matetika amin’ny fisaorana ny taratasin’i Md Paoly, ary ao amin’izany lalandava i Jesoa …
  14. 2639 V. Ny vavaka fiderana Ny fiderana no endri-bavaka izay manaiky eo no eo mivantana fa Andriamanitra no Andriamanitra. Mihira Azy ho an’ny Tenany ihany ny fiderana, manome voninahitra Azy, any ambadik’izay ataon’Izy Andria-manitra, satria IZY NO …
  15. 2640 V. Ny vavaka fiderana Nolazain’i Md Lioka matetika ao amin’ny Evanjeliny ny figagana sy ny fiderana manoloana ny zava-mahagaga nataon’i Kristy, ary nomarihiny koa ao amin’ny Asan’ny apôstôly fa asan’ny Fanahy Masina ireny : ny ankohonam-piangonana …
  16. 2641 V. Ny vavaka fiderana “Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho ; ihirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19) [128] . Tahaka ireo mpanoratry ny Testamenta Vaovao notsilovin’Andriamanitra, mamerina mamaky ny bokin-tSalamo ny …
  17. 2642 V. Ny vavaka fiderana Ny Fanambaràna “avy amin’izay tsy maintsy ho tonga ato ho ato”, ny Apôkalipsa, dia aseho amin’ny tonon-kiran’ny litorzian’ny lanitra [131] , nefa koa amin’ny alalan’ny fitalahoan’ireo “vavolombelona” (martiry) [132] . Ny mpaminany …
  18. 2643 V. Ny vavaka fiderana Ny Eokaristia no mirakitra sy maneho ny endrika rehetra amin’ny vavaka : izy no “fanatitra madio tsy misy fahony ” ny Vatan’i Kristy manontolo ho voninahitry ny anarany [136] ; izy no …
  19. 2644 V. Ny vavaka fiderana Ny Fanahy Masina, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiahy azy izay rehetra nolazain’i Jesoa, dia manabe azy koa amin’ny fiainam-bavaka, amin’ny famoahana fomba fiteny izay mihavao eo anivon’ny fomba fanao maharitra : …
  20. 2645 V. Ny vavaka fiderana Satria Andriamanitra no mitsodrano ny fon’ny olombelona, dia afaka misaotra Azy izay loharanon’ny tsodrano rehetra koa ny fon’ny olombelona.