Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2421 III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy dia nivelatra tamin’ny taonjato faha-19, tamin’ny fifandonan’ny Evanjely sy ny orinasa-taozava-baventy môderina, ny firafiny vaovao ho amin’ny famokarana ny zavatra natao holanìna, ny hevi-baovaony amin’ny orinasa, …
  2. 2422 III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy dia misy ventim-pampianarana mifampitohy arakaraka izay hanazavan’ny Fiangonana ny zava-miseho eny am-pamakivakiana ny tantara, amin’ny fahazavan’ny fitambaran’ny teny nambaran’i Jesoa-Kristy miaraka amin’ ny fanampian’ny Fanahy Masina …
  3. 2423 III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy Manolotra fitsipika fototra hodinihana ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy ; mamoaka mari-pitsaràna izy ary manome torolalana amin’ny asa : Na inona na inona rafi-pandaharana mametraka ny fifandraisana ara-tsôsialy ho ferana tanteraka …
  4. 2424 III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy Ny foto-piheverana izay manao ny tombon-tsoa ho fitsipika manokana sy tanjom-piafaran’ny raharaha ara-piharian-karena dia tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena. Ny fahalianam-bola mihoa-pampana dia tsy ilaozan’ny voka-dratsy aterany. Izany ny anankiray amin’ireo anton’ny fifanoherana …
  5. 2425 III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny sôsialy Ny Fiangonana dia nitsipaka ny firehan-kevitry ny mpanao bodo ngerona sy ny tsy mpino ny fisian’Andriamanitra, ary amin’ny vanim-potoana ankehitriny, miaraka amin’ny “kômonisma” na amin’ny “sôsialisma”. Ankoatra izany, laviny ny fomba amam-panaon’ny …
  6. 2426 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ny fampandrosoana ireo raharaham-piharian-karena sy ny fampitomboana ny vokatra dia natokana hanampy ny filan’ny olombelona. Ny fiainana ara-piharian-karena dia tsy mikendry fotsiny hampitombo ny zavatra vokarina sy hampitombo ny tombon-tsoa na ny …
  7. 2427 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Miaraka avy hatrany tamin’ny nahariana ny olombelona mitovy endrika amin’Andriamanitra ny asan’ny olombelona , ary voantso izy ireo hanohy ny tsanganasa fahariana amin’ny fizakana ny tany, ny tsirairay miaraka amin’ny hafa sy …
  8. 2428 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Amin’ny asa ny olona no mampiasa sy manatanteraka ny anjara herim-pahazoana amam-pahaizana voa-Janahary naraikitra ao aminy. Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. …
  9. 2429 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Samy manana zo hamorona fiharian-karena , sy hampiasa ara-dalàna ny talentany ny tsirairay, mba handraisany anjara amin’ny habetsahan’ny tombon-tsoa ho an’ny rehetra, sy mba hiotazany ny vokatra ara-drariny ny ezaka nataony. Hitandrina …
  10. 2430 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ny fiainana ara-piharian-karena dia miampanga ny tombon-tsoa samihafa tadiaviny, izay matetika mifanohitra izy ireo samy izy ireo. Mazava amin’izany ny fipoitran’ny fifanoherana izay mampibaribary ny fiainana ara-piharian-karena [31] . Hezahina ny hampihena …
  11. 2431 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ny andraikitry ny Fanjakana . “Ny raharaham-piharian-karena, indrindra ny fifanakalozana ara-barotra, dia tsy afaka hivelatra ao anatin’ny fahabangana amin’ny lalàna sy fitsaràna ary fitondrana. Takìn’izany ny hahamafy orina ny fiantohana ny fahafahan’ny …
  12. 2432 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ireo tompon’andraikitra ny orinasa no mampiseho eo anatrehan’ny fiaraha-monina ny andraikiny ara-toe-karena sy ara-tontolo iainana amin’ ny vokatry ny asan’izy ireo [33] . Tsy maintsy mandinika ny soa hoan’ny olona izy ireo …
  13. 2433 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ny fananana anton’asa sy antom-pivelomana dia tokony hisokatra ho an’ ny rehetra tsy asiana fanavakavahana tsy ara-drariny, lehilahy sy vehivavy, tomady sy kilemaina, tompon-tany sy vahiny [34] . Arakaraka ny toe-java- miseho, …
  14. 2434 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Ny karama ara-drariny no vokatry ny asa ara-dalàna. Ny mandà izany na ny mitana izany dia mety ho anisan’ny tsy fahamarinana lehibe [36] . Mba hanombanana ny karama marina, tsy maintsy heverina …
  15. 2435 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Rariny sy hitsiny ara-pitsipi-pitondran-tena ny fitokonana raha toa ka io no fangataham-bonjy tsy azo ialana, raha tsy hoe ilaina mihitsy aza, ho amin’ny tombon-tsoa mifandanja. Manjary tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy rahefa …
  16. 2436 IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina Tsy rariny ny tsy mandoa ny latsakemboka naraikitry ny manam-pahefana ara-dalàna haloa amin’ny sampan-draharaha misahana ny fanampiana ara-tsôsialy. Ny fanesorana amin’ny asa noho ny tsy fisian’asa dia saika mandrakariva, ho an’izay iharan’izany, …
  17. 2437 V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny tsy fitovian’ny loharanon-karena sy ny fitaovam-pihariana dia mampisy “hantsana” marina tokoa eo amin’ ny samy firenena [39] . Etsy an-daniny, misy ireo manam-be sy manitatra ny fomba …
  18. 2438 V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena Ankehitriny, antony maro samihafa ara-pivavahana, ara-pôlitika, ara-piharian-karena ary ara-bola, no mahatonga “ny olana ara-piaraha-monina mahahenika ny tany tontolo” [40] . Koa ilaina ny firaisan-kina eo amin’ny samy firenena izay efa manana pôlitika …
  19. 2439 V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena Ireo firenena manankarena dia manana andraikitra lehibe ara-môraly amin’ireo izay tsy afaka miantoka, raha amin’ny herin’ny tenan’izy ireo ihany, ny fitaovana hampandroso azy ireo, na voasakan’ny toe-javatra mahatsiravina teo amin’ny tantara. Adidim-piraisan-kina …
  20. 2440 V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena Ny fanampiana mivantana no anisan’ny valy sahaza ny filana eo no ho eo avy hatrany, tsy araka ny fanao mahazatra, ohatra, vokatry ny loza voa-Janahary, ny valanaretina, sns.. Kanefa tsy ampy izany …