Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1641
Ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana
“Eo amin’ny lalam-piainan’izy ireo sy eo amin’ny laharana tandrify azy ireo, [ny mpivady kristianina] dia manana ny anjara fanomezana manokana ho azy ireo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra” [161] Izany fahasoavana manokana amin’ny sakramentan’ny …
→
-
1642
Ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana
I Kristy no loharanon’io fahasoavana io . “Tahaka ny nanombohan’ Andriamanitra fahiny ny fanekem-pitiavana sy ny tsy fivadihana tamin’ny vahoakany, dia tahaka izany koa, ankehitriny, no ihaonan’ny Mpamonjy ny olombelona, Vadin’ny Fiangonana, …
→
-
1643
V. Ny soa sy ny takìn’ny fitiavan’ny mpivady
“Ny fitiavan’ny mpivady dia ahitana ny fitambarana izay ao no iantombohan’ny singafototra rehetra maha-olona ny olona – antson’ny vatana sy ny tosi-kerim-panentana ao anaty, herin’ny fihetseham-po sy ny fiontanam-po, hetahetan’ny fanahy sy …
→
-
1644
Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana
Takìn’ny fitiavan’ny mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fiombonan’ny maha-olona azy ireo, izay manambatra ny fiainan’izy ireo manontolo : “Noho izany, tsy roa intsony …
→
-
1645
Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana
“Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olona tsirairay izay tsy maintsy fantarina eo amin’ny vehivavy sy eo amin’ny lehilahy ao anatin’ny fitiavana feno fatra izay ifanoloran’izy roa ny tenany dia mampiseho mazava ny maha-tokana ny …
→
-
1646
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Takìn’ny fitiavan’ny mpivady amin’izy mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny tsy fivadihana tsy azo dikaina. Vokatry ny fanomezana ny tenan’izy ireo ihany izay ifanoloran’ny mpivady, io tsy fivadihana io. Tokony ho …
→
-
1647
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Ny antony lalina indrindra dia hita eo amin’ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fanekem-pihavanany, sy tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny fanambadiana ny mpivady dia nahazo fahefana ara-dalàna hampiseho izany tsy …
→
-
1648
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Mety heverina fa sarotra, na tsy azo atao, ny mifatotra amin’ny olona iray mandritra ny fiainana manontolo. Tsy vitan’izany koa fa zava-dehibe ny mitory ny Evanjely fa tia antsika amin’ny fitia varo-maty …
→
-
1649
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Misy anefa ny toe-javatra izay mahatonga ny firaisan-tranon’ny mpivady ho tsy azo atao noho ny antony maro samihafa. Amin’ny toe-javatra toy izany, eken’ny Fiangonana ny fisarahan-toeran ’ny mpivady sy ny fampitsaharana ny …
→
-
1650
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Betsaka ankehitriny, any amin’ny firenena maro, ny katôlika izay mangataka fisaraham-panambadiana araka ny didy aman-dalàna sivily sy manao fifanekena eo anatrehan’ny lalàna sivily ho amin’ny fanambadiana vaovao. Manantitrantitra ny Fiangonana, noho ny …
→
-
1651
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Ny amin’ireo kristianina izay miaina ao anatin’izany toe-piainana izany sy izay mitazona matetika ny finoana ary maniry hitaiza amin’ny fomba kristianina ny zanak’izy ireo, dia adidin’ny Pretra sy ny ankohonan’ny mpino manontolo …
→
-
1652
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
“Avy amin’ny toetrany voa-Janahary mihitsy no nandaharana ny fanorenan-tokantrano amin’ny fanambadiana sy ny fifankatiavan’ny mpivady ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana, izay izany no tampony manamarika ny fahatontosany” [175] : Ny zanaka …
→
-
1653
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
Ny fahavokaran’ny fifankatiavan’ny mpivady dia mivelatra amin’ny vokatry ny fiainana ara-môraly, ara-panahy sy mihoatra ny natoraly, izay ampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany …
→
-
1654
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
Ireo mpivady izay tsy nomen’Andriamanitra zanaka kosa anefa dia afaka hanana fiainam-panambadiana feno, amin’ny lafiny toe-po sy fomba kristianina. Afaka hamirapiratan’ny fahavokaran’ny fitiava-namana, ny fandraisana olona ary ny fahafoizan-tena ny fanambadian’izy ireo.
→
-
1655
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Sitrak’i Kristy ny ho teraka sy hitombo teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Josefa sy Maria. Tsy hafa tsy akory ny Fiangonana fa ny “fianakavian’Andriamanitra”. Hatrany am-piandohany, ny antokon’olona tao amin’ny Fiangonana, dia matetika …
→
-
1656
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Amin’izao androntsika izao, eo amin’ny tontolo izay matetika miavaka sy manohitra ny finoana mihitsy aza, manana ny lanjany lehibe tokoa ny fianakaviana mpino, zary akanin’ny finoana velona sy misandrahaka. Izany no mahatonga …
→
-
1657
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Ao amin’ny fianakaviana izany, amin’ny fomba ahazoan-tsoa manokana, no iasan’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy ny raim-pianakaviana, ny reny, ny zanaka, ny mpianakavy manontolo, “amin’ny alalan’ny fandraisana sakramenta, ny vavaka sy ny fisaorana, …
→
-
1658
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Mbola tokony hotsarovana koa ireo olona sasantsasany izay, noho ny toe-piainana tsy takona afenina tsy maintsy iainan’izy ireo – ary matetika tsy fidiny ho azy izany – manakaiky indrindra ny fon’i Jesoa …
→
-
1659
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Hoy i Md Paoly : “Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana. (…) Misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina ” …
→
-
1660
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Ny fifanekem-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina eo amin’izy roa, dia naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana. Araka ny toetra voa-Janahary momba ny fifanekem-panambadiana dia nalahatra …
→