Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1741 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Fanafahana sy famonjena . Tamin’ny Hazofijaliany be voninahitra i Kristy no nampahazo ny famonjena ny olombelona rehetra. Izy no nanavotra azy ireo tamin’ny fahotana izay nanandevo azy ireo. “Fa ho amin’ny fahafahana …
  2. 1742 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Fahafahana sy fahasoavana . Tsy maka toerana ho mpifaninana velively amin’ny fahafahantsika ny fahasoavan’i Kristy, rahefa mifanaraka amin’ ny lalan’ny marina sy ny tsara izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona ny fahafahantsika. …
  3. 1743 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena “ Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany ” (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany miraiki-po an-kalalahana amin’ilay Mpahary azy sy mba hahatongavany araka izany amin’ny fahalavorariana mahasambatra [56] .
  4. 1744 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ny fahafahana dia fahazoana manao na tsy manao, sy manankina amin’ izany koa ny fanaovana ny asa amin’ny nahim-po, amin’ny alalan’ny tena ihany. Mahatratra ny fahalavorarian’ny asany ny fahafahana rahefa alamina araka …
  5. 1745 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ny fahafahana no mampiavaka ny asa tena an’olombelona tokoa. Izy no mahatonga ny olombelona ho tompon’andraikitra amin’izay asa ataony an-tsitrapo. An’ny tenany ihany ny asa amam-pihetsika ataony amin’ny nahim-po .
  6. 1746 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena .Ny mahadiso na ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny fanerena, ny tahotra ary ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina.
  7. 1747 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena Ny zo hampiasa ny fahafahana dia mitaky adidy tsy azo sarahina amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, indrindra ny ara-pivavahana sy ny ara-môraly. Kanefa tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana lazaina na hanao …
  8. 1748 II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena “ Fa ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ” (Gal 5,1).
  9. 1749 Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona Ny fahafahana no mahatonga ny olombelona ho fototry ny fitondran-tena. Rahefa manao asa amin’ny nahim-pony ny olombelona dia azo lazaina fa mpamorona ny asany izy. Ny asan’olombelona, izay nofidiny tamin-kalalahana narahin’ny fitsaràn’ny …
  10. 1750 I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona dia miankina : - amin’ny zavatra nofidìna atao ; - amin’ny tanjona nokendrena na amin’ny fikasana ; - amin’ny toe-javatra isehoan’ny asa. Ny zavatra nofidìna atao, ny fikasana …
  11. 1751 I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena Ny zavatra nofidìna atao dia soa izay katsahin’ny sitrapo amim-pitokiana. Izy no fototry ny asan’olombelona. Ny zavatra nofidìna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny finiavana, araka izay aneken’ny saina azy sy hitsaràny …
  12. 1752 I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena Eo anatrehan’ny zavatra nofidìna atao, dia ny fikasana no manampy ny olona hanao ny asa. Satria mifandray amin’ny fototry ny finiavana hanao ny asa sy mamaritra izany amin’ny tanjona nokendrena ny fikasana, …
  13. 1753 I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena Ny fikasana tsara (ohatra : manampy ny namana) dia tsy mahatonga ho tsara na ho marina ny fihetsika amam-pitondran-tena efa ratsy rahateo (toy ny lainga sy ny fanaratsiana). Tsy manamarina ny fomba …
  14. 1754 I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena Ireo toe-java-miseho , ao anatin’izany ny vokany, dia singafototra fanampiny amin’ny asa ara-môraly. Manampy amin’ny fampitomboana na fampihenana ny hatsarana na ny haratsiana ara-môraly amin’ny asan’ olombelona ireny toe-java-miseho ireny (ohatra, ny …
  15. 1755 II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy Ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena dia mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidìna atao, ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho. Ny tanjona ratsy nokendrena hanaovana asa tsara, dia manimba ilay asa, na dia …
  16. 1756 II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy Noho izany, diso ny mitsara ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’ olombelona raha ny fikasana fotsiny izay ipoiran’izany, na ny toe-java-miseho fotsiny (toerana, fanerena ara-piaraha-monina, fanaovana an-terivozona na filana hanao ny asa amam-pihetsika, sns.) …
  17. 1757 II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy . “Loharano” telo miaraka no amaritana ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona : ny zavatra nofidìna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho.
  18. 1758 II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy Ny zavatra nofidìna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny sitrapo arakaraka ny aneken’ny saina izany sy hitsaràny izany ho tsara na ho ratsy.
  19. 1759 II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy “ Tsy azo hamarinina ho tsara amin’ny fikasana tsara ny asa ratsy iray atao ” [58] . Tsy manamarina ho tsara ny fomba amam-pitaovana ampiasaina ny tanjona nokendrena.
  20. 1760 II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy Mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidìna atao sy ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho, ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena.