Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1941
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Tsy mety ho voavaha afa-tsy amin’ny fanampiana rehetra miendrika firaisan-kina ny olana ara-tsôsialy sy ara-toe-karena : firaisan-kinan’ny mahantra amin’izy samy izy, ny mpanankarena sy ny mahantra, ny mpiasa samy mpiasa, ny mpampiasa …
→
-
1942
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny hasin’ny firaisan-kina dia ambony lavitra noho ny harena ara-pitaovana. Ny Fiangonana, amin’ny fampielezana ny harem-panahy avy amin’ny finoana, dia mamampy avy amin’izany koa ny fampandrosoana ny harena ara-batana, izay amin’izany izy …
→
-
1943
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo.
→
-
1944
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny fanajana olona dia ny mihevitra ny hafa ho “ toy ny tena mihitsy ” . Mitaky ny fanajana ny zo fototra izay avy amin’ny fahamendrehana anaty eo amin’ny olona izany.
→
-
1945
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany.
→
-
1946
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny faha-samy hafa eo amin’ny samy olombelona rehetra dia anisan’ny fandaharan’Andriamanitra izay mila antsika hifanampy sy hifanohana. Tokony hanentana ny fifankatiavana ny faha-samy hafa.
→
-
1947
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olombelona dia mitaky ezaka mba hampihena ny tsy fitoviana mihoa-pampana ara-piaraha-monina sy ara-toe-karena. Manosika ho amin’ny fanafoanana ny tsy fitoviana vokatry ny tsy an-drariny izany fitoviam-pahamendrehana izany.
→
-
1948
III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Ny firaisan-kina dia herim-panahy ambony tokoa maha-kristianina. Izy no manatanteraka ny fifampizaràna ny harena ara-panahy mihoatra kokoa noho ny harena ara-pitaovana.
→
-
1949
Ny famonjen’Andriamanitra : ny lalàna sy ny fahasoavana
Ny olombelona, noho izy voantso ho amin’ny hasambarana, saingy voaratran’ny fahotana, dia mila ny famonjen’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy no andraisany an’io famonjen’Andriamanitra io, amin’ny alalan’ny lalàna izay mitari-dalana azy sy amin’ny fahasoavana …
→
-
1950
Ny lalàna môraly
Tsanganasan’ny Fahendren’Andriamanitra ny lalàna môraly. Amin’ny hevitra ara-baiboly, dia azo faritana hoe : fampianaran’ny ray, fahaizan’ Andriamanitra manabe, ny lalàna môraly. Mibaiko ny olona izy, hanaraka ny lalana sy ny fitsipiky ny …
→
-
1951
Ny lalàna môraly
Ny lalàna dia fitsipika momba ny fitondran-tena avoakan’ny manam-pahefana manapaka, ka ho ampiharina mba hitsinjovana ny soa iombonana. Ny lalàna môraly dia mitaky fandaminana tsara fototra eo amin’ny samy zavaboary, mba hahazoan’izy …
→
-
1952
Ny lalàna môraly
Maro samihafa ny fomba fiteny momba ny lalàna môraly, ary mifandray avokoa izy rehetra : ny lalàna mandrakizay, ao amin’Andriamanitra sy loharanon’ny lalàna rehetra ; ny lalàna voa-Janahary ; ny lalàna nambara …
→
-
1953
Ny lalàna môraly
Ao amin’i Kristy no ahitan’ny lalàna môraly ny fahatanterahany sy ny maha-iray azy. Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no lalan’ny fahalavorariana. Izy no anton’ny lalàna, satria Izy irery no mampianatra sy manome ny …
→
-
1954
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Ny olombelona dia mandray anjara amin’ny fahendrena sy ny hatsaram-pon’ny Mpahary izay manome azy ny fahaiza-mifehy ny asany sy ny herim-pahazoany mitondra ny tenany ho amin’ny marina sy ny soa. Ny lalàna …
→
-
1955
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Mampiseho amin’ny olombelona ny lalan-kombàna mba hanaovana ny tsara sy hahatratrarana ny zava-kinendriny, ny “lalànan’Andriamanitra sy ny lalàna voa-Janahary” [4] . Milaza ny didy voalohany sy tsy azo avela izay mitantana ny …
→
-
1956
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Ny lalàna voa-Janahary, noho izy mitoetra ao am-pon’ny olombelona tsirairay sy porofoin’ny saina, dia manerana ny tontolo amin’ny didiny ary mivelatra amin’ny olon-drehetra ny fahefany mandidy. Maneho ny fahamendrehan’ny olona sy mamaritra …
→
-
1957
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Miovaova be ihany ny fampiharana ny lalàna voa-Janahary ; mety hitaky fandinihana mifanaraka amin’ny hamaroan’ny fomba iainana, arakaraka ny toerana, ny fotoana ary ny fisehon-javatra izy. Ny lalàna voa-Janahary anefa, ao anatin’ny …
→
-
1958
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Tsy miovaova [8] ny lalàna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny fiovaovan’ny tantara eny ; velona maharitra ihany izy ao anaty habetsahan’ny fombam-pisainana sy ny fombam-piainana amam-pitondran-tena, sy manampy amin’ny fivoaran’izany. Mijanona …
→
-
1959
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Ny lalàna voa-Janahary, noho izy tsanganasa tsara tokoa an’ny Mpahary, no miantoka ireo fototra mafy orina, izay eo ambonin’izany no ahafahan’ ny olombelona manorina vondrom-pitsipika ara-môraly izay hitari-dalana ny safidiny. Izy koa …
→
-
1960
I. Ny lalàna môraly voa-Janahary
Tsy ny rehetra dia hahatsapa avokoa amin’ny fomba mazava sy eo no eo ny didy avy amin’ny lalàna voa-Janahary. Amin’ny toe-javatra ankehitriny, ilaina ho an’ny olombelona mpanota ny fahasoavana sy ny fanambaràna, …
→